Misy Andriamanitra : miomàna ianao hihaona Aminy

 

Ny fiadanana katsahin’ny olona tsirairay dia mifamatotra ifotony amin’izay fijerintsika ny Baiboly, miaraka amin’izao fanontaniana lehibe indrindra izao : « TENIN’ANDRIAMANITRA ve ny Baiboly, amiko ? »

Tonga mazava sy voavaha olana tokoa mantsy ny zava-drehetra, raha toa aho ka manana ny finoan’ny ankizy kely miteny tsotra hoe : « Inoako Andriamanitra », izany hoe izay rehetra lazainy, sy hoe : « Mino an’Andriamanitra aho », izany hoe mino fa misy Izy.

Manazava ahy ny fahazavan’Andriamanitra raha vao ekeko fa miteny amin’ny olona Izy, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Ilay Zanany. I Jesoa no « Ilay Teny tonga nofo ». Amin’ny alalany Andriamanitra dia tonga mba hifandray amin’ny olona. Marina Andriamanitra sady tsy mba mandainga. Ary fitiavana Izy sady mahatoky sy tsy mba mamitaka, koa dia azontsika atao ny mino am-pahatoniana ny fanambaràna ataon’Izy tenany momba an’i Jesoa Zanany, ao amin’ny Baiboly. Inona no lazain’ny Baiboly ? — « Ao amin’ny Zanany ny fiainana mandrakizay : izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana, izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana. » Miantefa amin’ny olona rehetra izany hafatra izany, mba hahazoantsika antoka fa « manana fiainana mandrakizay isika, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra. » (Azonao hamarinina ireo fanambaràna ireo, ao amin’ny Epistily voalohany nosoratan’i Jaona, toko faha-5.)

Hoy koa ny Baiboly hoe : « Raha manaiky an’i Jesoa ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao » (Epistily ho an’ny Romana, toko faha-10, andininy faha-9 sy faha-10).

Tian’Andriamanitra ho voavonjy ny olona rehetra. Nataony izay rehetra hahafaka ny fanahintsika sy ny tenantsika manontolo. Akory moa izany fanirianay ny mba hametrahanao ny fitokisanao amin’izay ambaran’ny Baiboly irery ihany, momba izany. Fa raha tsy izany dia ho azon’ny ahiahy sy ny savorovoro ianao, raha miantehitra amina zavatra hafa ankoatra ny Baiboly.

Ny Baiboly dia hafatra velona, ka rehefa inoana dia manome eritreritra vaovao, marika vaovao, ary fiadanana lalina anaty ; manome, dieny izao eto an-tany izao, antoka sy toky hoe manana fiainana mandrakizay ! Vaovao Mahafaly io hafatra io, dia ilay Filazantsara milaza amintsika hoe i Jesoa dia « maty noho ny fahotantsika ». Eny, maty ho ahy i Jesoa, Ilay Zanak’Andriamanitra, maty ho anao. Tsy maintsy ekena am-panetrentena izany, ary indrindra, fadiana ny mieritreritra eo anoloan’Andriamanitra hoe tsy nanota ianao na dia indray mandeha aza, na nanao asa tsara mba hamafana ireny fahotana ireny. Mampandainga an’Andriamanitra ianao raha manao izany. Izy tenany mihitsy, ao amin’ny Teniny, no milaza hoe samy efa nanota ny olona rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra. Manan-jara amin’io voninahitra io aho raha manaiky tsotra fotsiny hoe na iza na iza mino an’i Kristy, dia hamarinina eo anatrehan’Andriamanitra, ary maimaimpoana izany fanamarinana izany. Amin’izay dia ho ahy ilay fahasoavana lavorary, izay an’Andriamanitra. Fa tonga nisy io fanomezana mahatalanjona io, satria i Kristy Zanany dia nisolo toerana ahy, niharan’ny fitsarana sahaza ireo fahotako. Nitia anao Izy, nanefa ny saran’ny fahotanao, nanolotra ny ainy ; latsaka teo amin’ny hazofijaliana ny rany. Noho izany Andriamanitra dia afaka mamela heloka, manamarina, mamotsotra fahotana ary manome fiainana mandrakizay ho an’izay mino. Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mamela ny fahotantsika Izy, satria mahatoky sy marina. (Epistily ho an’ny Romana, toko faha-3 ; Filazantsara araka an’i Jaona, toko faha-3 ; Epistily voalohany nosoratan’i Jaona, toko voalohany.)

Tia anao Andriamanitra, ary miantso anao anio hanatona tsy amin-tahotra ny hazofijaliana. Koa manatòna izao, avia mba hahita, hino, hibanjina ny fijoroana lalina indrindra ho vavolombelon’ny fitiavany sy ny heriny, satria tsy nijanona teo amin’ny hazofijaliana i Jesoa, fa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo... (Epistily voalohany ho an’ny Korintiana, toko faha-15.)

Mba ho kanto indrindra raha mamaly mazava ny antsom-pitiavany ianao, resy lahatra hoe « tsy ho menatra izay rehetra mino Azy [Jesoa] » (Epistily ho an’ny Romana, toko faha-10, andininy faha-11).

« Izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo [ao amin’ny vatako] dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy » (Epistily ho an’ny Galatiana, toko faha-2, andininy faha-20).